Sand dams are transforming lives around the world. But how do they work?

Find out in this animation. Excellent Development would like to thank Translators Without Borders for the translation of the subtitles, which are also provided here:

Toha-drano fasika

Manova ny fiainana amin’ny toerana misy haintany

Diniho anie ... raha roa ambin’ny folo ora isan'andro no laninao hanangonana rano.

Izany no iainan'ny ankizy amam-behivavy an-tapitrisany amin’ny toerana misy haintany.

Mandritra ny vanin-taonan’ny orana fohy in-dray na in-droa isan-taona, dia kaohin'ny riaka ny nofon’ny tany ambony izay tena ilaina.

Miafara any an-dranomasina ireny rano ireny amin'ny ankapobeny, izay tavela kosa maina afaka fotoana fohy.

Alao sary an-tsaina hoe misy ny vahaolana iadiana amin’izany tsy fahampian-drano izany

Ny toha-drano fasika no vahaolana.

Ny Toha-drano fasika dia rindrina matevina vita amin’ny lalotra simenitra, atao mitsivalana amin'ny lakandrano izay miforona mandritra ny fahavaratra…

Paika mora atao indrindra hanangonana ranon'orana amin'ny toerana misy haintany.

Rehefa misy oram-baratra, entin’ny riaka hatreny andohasaha ny ranon’orana mifangaro tany.

Mitsika avy eo ny fasika… ary ny ampahany betsaka amin’ny rano mifangaro fotaka dia mikoriana mihoatra ny toha-drano.

Afaka iray andro na vanin-taona roa na telo dia tampina fasika ny toha-drano.

Rano avokoa ny 25 hatramin'ny 40 %n'ny tahan'ny fasika voatohan'ny toha-drano. Ity farany dia miaro ny rano tsy ho lasa entona, ary koa mitazona ny rano hadio.

Ny fantsona novolena ao anatin’ny toha-drano dia manamora ny fahazahoan-drano amin’ny alalan’ny paompy na tavin-drano ho an’ny biby.

Ny lava-drano marivo dia azo ampiakarana ny rano avy amin’ny tahiry voaangona.     

Rano hatramin’ny 40 tapitrisa litatra. Fiainam-baovao….. tovozina avy amin’ny paompy.

Mbola fiandohana fotsiny io. Ny mitranga manaraka dia tena manova ny fiainan'ny maro.

Rehefa betsaka kokoa ny fotoana ahafahana mikarakara sy miasa ny tany eny an-tsaha ary mamboly hazo...

Dia miroborobo ny tontolo iainana … ka manome fanantenana sy fahafahana mivoatra hoan’ny mponina.

Vitan’ny ankizy amam-behivavy anatin’ny 30 hatramin’ny 90 minitra ny asa an-tokatrano izay ilàna rano.

Ny ankizy afaka mijanona any an-tsekoly tontolo andro.

Ny vehivavy hanam-potoana kokoa hambolena voankazo, legioma sy karazam-boly maro maniry amin’ny fotoanan’ny haintany. Ny fahasalamana mihatsara, ny fidiram-bola miampy.

Izany no atao hoe fiaraha-monina mampivoatra ny fiainany

'Ndao tohanana ny fanamboarana toha-drano fasika hanampiana hatramin’ny 75%n’ireo mahantra maneran-tany.

Fantaro àry fa… manampy ny fiaraha-monina hanova ny fiainany tsikelikely ny fanamboarana toha-drano fasika.